Nifanenjehan’ny polisim-pirenena eo anivon’ny UIR, CUI niampy ny SUT, jiolahy roa lahy niara-lavon’ny tifitra teny amin’ny fokontany IVO Antohomandinika, ny amin’ny alakamisy 23 janoary teo. Renim-pianakaviana iray niharan’ny fanendahana nataon’ny olon-dratsy tamin’io fokontany io. Dimy lahy ireo nanao ny asa ratsy. Naharay fampandrenesana, nanao fisafoana teny amin’ny manodidina ny toerana voalaza nitrangan’ny fandrobana ny polisy. Voasokajy ho faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana amin’ny alina raha teo ny eny amin’ny 67 Ha sy Isotry ka anton’ny nanoavaon’izy ireo andrimaso. Raikitra ny fifanenjehana rehefa nifanojo tamin’ny polisy ireo dimy lahy. Namaly avy hatrany ireo roa lahy. Nikasa hidaroka ny polisy hisambotra azy tamin’ny alalan’ny antsibe. Vokany, nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy ny polisy. Lavo ny roa tamin’ireo mpanendaka. Nitsoaka ireo telo lahy. Mitohy ny fikarohana ireo tsy mataho-tody.
Tsiferana R.