Atsimo Atsinanana: Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ ny tambajotra miaro ny ankizy

Nohamafisina ny fahaiza-manaon’ny tambajotra miaro ny zon’ny ankizy (Réseau pour la protection de l’enfant) eto amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Mandritra ny hefarana no nanatontosana izany tao amin’ny centre récréatif Abba Farafangana, nifarana omaly.

Nitarika ny fampiofanana ny avy amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina sy ny Unicef izay mpiara-miombon’antoka. Mandray anjara avokoa ireo mpikambana rehetra ny avy amin’ny faritra, ny préfécture, ireo fitaleavam-paritra voakasika : Asa sy ny lalàna sosialy, Fahasalamana, Tanora sy ny fanatanjahatena, Fitsarana, Fizahantany, Fampianarana, ny raiamadreny ara-drazana sy ny raiamandreny ara-panahy, ny firaisamonim-pirenena, ny solontenan’ny ben’ny Tanàna sy ny sefo fokontany. Loha­hevitra niompanan’ny fiofanana ny fiarovana ny ankizy, herisetra mianjady amin’ny ankizy sy ny fampahafantarana ny tambajotra fiarovana ny ankizy. Anisan’izany koa ny asa fitorohana ary ny fampahafantarana ny hamehana. Ny tranga miseho amin’ireo olona manana fahasembanana sy ny andraikitry ny tambajotra mandritra ny hamehana. Nampahatsiahivina koa ireo karazana herisetra mianjady amin’ny ankizy. Tanjona aorian’ny atrikasa ny fifehezan’ny mpiofana ny fiarovana ny ankizy sy ny fandaharanasa mifandraika aminy. Azo hamaritana ny toerana sy ny asa sahaniny avy ny mpisehatra. Mandeha amin’izao fotoana izao ny fanavaozana ny “fiche de signalement” ka rehefa vita izany, mbola homena fanofanana ireo rehetra hampiasa azy.

Lasa be famaliana ny ankizy
Ho an’ny faritra, maro ireo zaza tsy ampy taona no miasa an-trano vokatry ny fahantrana sy ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny. Manimba ireo ankizy koa ny fampiasana ireo tambajotra serasera. Very hevitra ireo ray aman-dreny amin’ny fanabeazana ny ankizy satria lasa be famaliana. Betsaka amin’ny ankizy koa no mirona amin’ny fisotroan-toaka sy ny fidorohana zava-mahadomelina.
Mijoro ara-panjakana ny tambajotra ary manana laminasa isan-taona hotanterahina. Samy miaiky ny mpikambana amin’ny tambajotra fa tsy mora ny asa miandry ka samy handray andraikitra ho tombontsoan’ny ankizy.

Vonjy

Partager sur: