Ny volana marsa 2024 no nahitan’ireo Malagasy ny lalaon’ny Barea farany teo amin’ny Kianja Mahamasina. Miverina izany ka hiaka-tsehatra hanamafy ny fanomanana ny “Chan 2024” izy ireo.
Hotontosaina, anio, etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny lalao fitsapana farany hihaonan’ny Barea Chan sy ny ekipa voafantin’ny “Pureplay Football League (PFL)”. Anio indray izany vao hahita ny Barea eo an-kianjany ny mpankafy ny baoliana kitra malagasy. Tsy izany ihany, fotoana koa io hahitana an-dRazafindranaivo Koloina na Rakool indray. Tsiahivina fa hanampy ny mpilalaon’ny PFL ny tenany mandritra io fifanandrinana io ary efa niatrika fanazaran-tena.
Marihina fa niverina ao amin’ny klioban’ny CFFA Andoharanofotsy Rakool. Ampahatsiahivina ihany fa mpilalao nisongadina nandritra ny “Chan Algerie 2022”, i Koloina, ary efa nilaravinahitra tao amin’ny klioban’ny Mouloudia Club d’Alger sy AS Arles France ny tenany, teo aloha. Ankoatra izay, ity no fihaonana sy fampivondronana farany ataon’ny Barea Chan. Rehefa vita io lalao io, alefa mody ireo mpilalao 27 mirahalahy, mandrafitra ny ekipa nasionaly malagasy.
Efa niatrika fanazarantena teto Antananarivo avokoa ireo Barea Chan, tarihin-dRakotondrabe Romuald Félix na Coach Rôrô ary vonona ny hampiseho ny tsara indrindra avy amin’izy ireo anio.
Izay indray…
Efa fotoana maro izay no tsy nahitana lalao baolina kitra, tao Mahamasina. Izay indray izany vao hahita fihaonana ao amin’ity kianja ity ny mpankafy baolina kitra malagasy. Tsiahivina fa tsy mbola nahazo fankatoavana avy amin’ny Caf ny kianja Barea Mahamasina, efa nisy ny fanamboarana ary andrasana ny fahatongavana ireo «Inspecteur» Caf hijery io kianja io, amin’ny volana febroary ho avy izao.
F.R