Mandalo fahasahiranana amin’izao fotoana izao, ireo mpilalao mpilaravinahitra sasantsasany ao amin’ny Barea de Madagasar. Hatreto, fantatra fa miisa efatra ireo tsy mbola manana klioba hilalaovana na efa ho tapitra aza ny fe-potoana farany amin’ny fahazoana mifindra klioba.
Anisan’ireo mbola mitady fotoana hilalaovana hatramin’izao, Ibrahim Amada. Eo koa ny mpiandry tsatoby, i Sony Laiton. Izy mirahalahy ireo izay efa 8 volana no tsy misy ekipa. Ankoatra azy ireo, eo koa i Johan N’Zi sy i Sandro Tremoulet izay samy tsy manana klioba ihany koa efa ho 1 volana izao.
Izy efatra mirahalahy ireo izay mbola nandrafitra ny Barea de Madagascar, tamin’ireo fihaonana farany natao. Mety hametraka olana ho an’izay mpanazatra ho avy eo ny hiantso azy ireo raha toa ka tsy mbola misy ekipa hilalaovana. Ny Barea de Madagascar, hifandona amin’i Centrafrique amin’ny volana marsa, eo amin’ny fifanintsanana ho an’ny “Mondial 2026”. Aorian’io, hampiantrano ny kintana maintin’i Ghana, etsy amin’ny kianjaben’ny Mahamasina, raha toa ka mahazo fankatoavana avy amin’ny Caf io fotodrafitrasa io.
Tompondaka