Tontosa, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ho ben’ny Tanàna an-dRamanantsoa Harilala. ” Tsy sakana amin’ny fampandrosoana ny politika”, hoy izy.
“Manantena aho fa ny politika dia tsy sakana intsony ho amin’ny fampandrosoana ny tanàna”, hoy ny ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala, tamin’ny lanonana teny amin’ ny lapan’ny Tanàna, Analakely, omaly, nametrahana azy tamin’ ny fomba ofisialy. Olona tsotra izy, araka ny nambarany, olon’ ny fihavanana, tsy manana fahavalo politika. Ny hany fahavalo iraisana dia ny korontana, ny tsy fandriampahalemana, ny fahantrana. “Koa andao ampio aho”, hoy izy. Ao am-pony ho an’Antananarivo no ijoroany. Mba ho tanàna mandroso, milamina, maitso, ary mahate honina ny tanàna. Matoky izy fa ho avy mamiratra ary ho tena maodely ny tanànan’Antananarivo. Ny vinan’ny filohan’ny Repoblika dia ho maodely eto Madagasikara ny tanànan’Antananarivo. Eo amin’ny lafiny fitantanana, fampandrosoana, sosialy, ka tsy hisy ho hadino na ho voailikilika.
“Misokatra ny varavarana, iarahantsika mijery ny fomba rehetra hanarenana ny tanànan’Antananarivo mba ho faly ny vahoakan’Antananarivo amin’ireo tolotra andrasany amintsika, ary mba ho tena vahaolana eo anivon’ny fiarahamonina isika”, hoy ny hafany ho an’ny mpiasa eo anivon’ny kaominina. Tsy hadino ny mpanolotsain’ny Tanàna voafidy niaraka taminy: manantena azy ireo tena hisolo tena izay nifidy azy ireo teny anivon’ny boriborintany nisy azy ireo tsirairay avy. Namaranany ny kabariny ny hoe: “Isika rehetra miara-mandroso, isika rehetra tsy maintsy mandroso: mandresy ny fahantrana, mandresy ny korontana, mandresy ny fankahalana. Satria ahy, anao, antsika rehetra Antananarivo.”
R. Nd.