Nisy ny fanomezana fitaovana ahafahana manaitra mialoha ny mpiara-belona raha vao misy loza hitranga. Efa nahazo fiofanana manokana ireo olona izay hampiasa ireo fitaovana ireo. Afaka mandray andraikitra avy hatrany rehefa misy ny loza, Fokontany 20 no nisitraka ireto fitaovana ireto. Avy ao amin’ny boriborintany I, ahitana fokontany valo, boriborintany II misy fokontany roa, ho an’ny boriborintany fahefatra, misy fokontany valo ary ny boriborintany fahenina ahitana fokontany tokana.
Anisan’ny tena marefo eto amin’ny faritra Analamanga ireo fokontany 20 ireo ary tandindonin-doza rehefa mandalo ny rivodoza. Matetika no dibodrano ny faritra sasany. Indraindray koa ahitana fihotsahan’ny vato na tany kosa ireo eny amin’ny faritra avo. Ireo ahitana saina SAP misy loko karazany efatra, ireto avy ireo fitaovana natolotra : mégaphone, Radio HF, kiririoka, gilets SAP, kiraro azo entina amin’ny orana, akanjo tsy lena, jiro ary «kits de secours». Fanomezana natolotry ny Croix Rouge Allemagne ho an’ny fanjakana malagasy ireo.
Vonjy