Fandaharanasa USAID Access: Tokony ho tafita eny ifotony ny traikefa napetraka

Nifarana tanteraka ny alakamisy teo, ny fandaharanasa Usaid Access izay nifantoka tamin’ny fampandrosoana ny tontolon’ny fahasalamana eto Madagasikara. Natao ny fifam­pizarana sy ny lesona azo tsoahina ary ny fijerena ny faharetan’ny vokatra izay napetraka horaisin’ny minisiteran’ny Fahasalamana. To­kony hahaleo tena ny eny ifotony amin’ny sehatry ny fahasalamana sy hampaharitra ny lova napetraky ny tetikasa.
Enin-taona no niarahan’ny minisiteran’ny Fahasalamana niasa tamin’ny fanadaharanasa, nanomboka ny taona 2019. Nanaparitahana ekipa tamin’ny faritra 14 eto Mada­gasikara ary nandrakotra ny distrika 87 sy ny fokontany rehetra ao amin’izany ny tetikasa.
Horaisin’ny governemanta sy ny minisiteran’ny Fahasa­lamana an-tanana manomboka eto ireo fomba fiasa rehetra izay niarahana nametraka tamin’ny Usaid Access.
Tanjon’ny tetikasa ny fanatsarana sy fanamafisana ny tolotra ara-pahasalamana nomena ny vahoaka.
Mpanentana ara-pahasalamana miisa 18 000 no niasa teny amin’ny fokontany saro-dalana sy alavitra andriana. Nofanina hitsabo ireo aretina tsotra mpahazo ny ankizy eny amin’ny fiarahamonina koa izy ireo. Anisan’izany ny tazomoka, ny fivalanan’ny zaza ary ny aretin’ny taovam-pisefoana.
Voapetraka ny rafitra hahafahan’ny mpiasan’ny fa­ha­salamana manohy sy manamafy ny fahaizany sy ny kalitaon’ny tolotra omeny ny vahoaka. Teo koa ny ezaka teny anivon’ny hopitalin’ny distrika miisa 60 tao amin’ny faritra 11.

Tatiana A

Partager sur: