Nitrangana ady mivady niharo herisetra ka niafara tamin’ny fandatsahan’aina tany Bealanana II, omaly maraina. Tsy nahatana ny hatezerany diso tafahoatra ny lehilahy iray manodidina ny 24 taona, nandritra ny fifamaliana nisy teo amin’izy mivady. Naka antsy izy avy eo ary notsatohany tamin’io fitaovana maranitra io ny vadiny. Anisan’ny voatsatoka mafy tamin’izany, ny hatoka sy ny tendan’ilay ramatoa ka nitarika ny fahafatesany. Nasain`ilay ramatoa vadiny nanala hao tamin’ny volony ity lehilahy ity tamin’izany. Nisy ny resaka tsy nifankahazo teo amin’ny roa tonta nandritra izany ka niteraka ny fahatezeran’ilay rangahy.
Nitsaoka rehefa
nahavanon-doza
Nitsoaka avy hatrany ity nahavanon-doza taorian’ny asa ratsy nataony. Tsy nanaiky izany ny fokonolona ka nanenjika azy. Nandray an-tanana ny teo anivon’ny kaomisarian’i Bealanana, nitondra ilay nahavanon-doza tany Antsohihy. Mba hialana amin’ ny valifatin’ny fianakavian’ny maty sy ny tahotra amin’ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka. Efa eo am-pelantanan’ny mpitandro ny filaminana ilay lehilahy. Mitohy kosa ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity, amin’izao fotoana izao, ary andrasana ny ho tohiny.
Mino