Fivoahan’ny voka-pifidianana: Ben’ny Tanàna roa tsy hita ny nanjavonany

Maromaro ireo ben’ny Tanàna vao voafidy no ahina ho voasaringotra amin’ny kolikoly. Anisan’izany ny ben’ny Tanànan’Antsiranana, i Jean Luc Djavojozara. Nofidin’ny vahoaka any an-toerana tamin’ny salanisa 65% ny tenany na tsy afaka nanao propagandy aza.

Ny ekipany ihany koa no nametraka ny an-tontan-taratasy firotsahany. Efa namoahana didy fampisamborana avy amin’ny Pac noho ny fiahiahiana kolikoly tamin’ny fitantanany ny kao­minin’Antsiranana izy ny tao­na 2017. Voaheloka sazy mihatra 5 taona an-tranomaizina sy lamandy 20 tapitrisa Ar ity farany.
Etsy andaniny, namoahana didy fampisamborana ny ben’ny Tanànan’i Bealanana, vao voafidy teo, Morainjara Donit Florent. Mbola fanodinkodinam-bola fony izy ben’ny Tanàna ny taona 2017 koa ny antony. Efa nilatsaka ny saziny, figadrana 2 taona an-tranomaizina sy lamandy 20 tapitrisa Ar. Samy tsy hita popoka avokoa izy ireo amin’izao fotoana izao.
Ankoatra izany, nosamborina afakomaly hariva kosa ny ben’ny Tanàna vao voafidy any Nosimena, Miandrivazo. Tsy mbola fantatra ny antony. Tsiahivina fa nandresy ity kandidà tamin’ny vokatra navoakan’ny Ceni. Notorian’ny kandidà Irmar ny tenany, saingy mbola nahazo rariny tamin’ny nilazan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf) fa tsy mitombina ny fitoriana. Nahagaga ny vahoaka anefa fa ny kandidàn’ny mpitondra indray no nandresy.
Araka izany, mbola baraingo ny hoavin’ireo olom-boafidy ireo sy ny kaominina tantaniny ary ireo vahoaka mpifidy.

Synèse R.

Partager sur: