Fomban-drazana : Mitohy ny fampahafantarana

24 janoary, Andro iraisam-pirenena ho an’ny kolontsaina afrikanina, omaly. Tsy mba nanamarika izany i Madagasikara hatramin’izay, kanefa dia fotoana iray fanehoana ny fototra, ny fomba ny fiizina ary ny kolontsain’ny firenena afrikanina izy ity. Nanao hetsika kosa ireo mpandala ny fomban-drazana, ka nanao diabe niakatra teny Anatirova. Narahin’ny fanehoana ny fitafy, ny taovolo, ny hira sy dihy nentim-paharazana izany. Fanohizana ny fampahafantarana ny fomban-drazana Malagasy, izay efa natao hatramin’izay ny hetsika, ho azy ireo.
“Manao antso avo amin’ny minisiteran’ny Serasera syn y kolontsaina izahay, mba hankalaza izany isan-taona. Fototra maha firenena ny kolontsaina, ary mitondra fiombonana”, hoy ny nambaran’ny mpitam-pomba, nitarika ny fotoana. Anisan’ny voizina ny tokony hireharehana amin’ny fomban-drazana, fa tsy ambakan’ny kolontsaina vahiny izay asandratra eto. “Tsy tokony hisy intsony ny fandrabirabiana sy fanimbazimbana ny fomba sy ny Malagasy mpandala izany. Nitahiry soatoavina lehibe maro ireo, ary mitondra mankany amin’ny fandrosoana fa tsy hoe fihemorana izany”, hoy hatrany ny fanazavana.

Zo ny Aina

Partager sur: