Nankalazaina, omaly, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny ladoany (JID). Fotoana nanararaotan’ny tale jeneraly, Lainkana Zafivanona Ernest ihany koa, nanazavany ny paikady vaovao hatao ato anatin’ny 5 taona manaraka (2024-2029) miisa 12. Hatao rafi-panjakana lohalaharana ny haban-tseranana. Hampiasaina ny teknolojia niomerika amin’ny fanaraha-maso ny entana, ka ialana tsikelikely ny fampiasana taratasy. Tsiahivina fa ny ladoany no rafi-panjakana voalohany mampiasa ny haranitan-tsaina artifisialy (IA). Tohanana ny toekarena eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Hamoraina ny fanaraha-maso ny fanondranana entana any ivelany. Hampitoviana ny fomba fiasa sy ny fandoavan-ketra manerana ny faritra. Ampiasaina daholo ny antontam-baovao ananana rehetra. Hamafisina ny fahaiza-manaon’ny mpiasa. Hajaina ny tontolo iainana.
Nankasitrahana ny alika mpitsongo dia
Miisa 19 ny mpiasan’ny ladoany sy alika mpitsongo dia sy entana iray nomena mari-pankasitrahana, omaly, noho ny asa tsara sy fahombiazana vitany.
Raha ny drafitrasa teo aloha (2019-2024), tratra ny 80% raha 75% ny tanjona napetraka. Misongadina amin’izany ny fampihenana ho ao anatin’ny adiny telo ny fikarakarana ny famoahana entana eny amin’ny ladoany. Eo koa ny fanamafisana ny fanaraha-maso nampiasana ny teknolojia niomerika.
Njaka A.