Hanampiana ny ray aman-dreny: Misokatra ny ivontoeram- panabeazana Vaha eny Itaosy

Natsangana ny ivontoeram-panabeazana Vaha eny Itaosy ho an’ny ray aman-dreny sy ireo niharan’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy. Ho tantsoroka amin’ny fitaizana ny zanaka izany.

Hisokatra ho an’ny daholobe manomboka amin’ny herinandro, eny Itaosy, ny ivontoeram-panabeazana Vaha izay zanaky ny sekolin’ny ray aman-dreny naorian’ny mpanabe, Rasoanindrina Marguerite. Raha natao fampiofanana fotsiny ny sekolin’ny ray aman-dreny tao anatin’ny 23 taona nisiany, hitondra vahaolana ho an’ireo ray aman-dreny mitaiza amin’izao fotoana izao ka tojo olana ny ivontoerana.
Andraikitra faharoa ny fampiofanana mpanabe ka hovoriana ireo tanora maniry hampianatra mba hahazoany fiofanana fototra mialoha ny hirosoana amin’ny asa eny an-kianja. Farany, ho toerana hitarihana ny olona ho an’ny dingam-pivoarana eo amin’ny fiainany ny ivontoerana Vaha, hoy izy.
Tsy afa-misaraka amin’ny fanabeazana ny herisetra eo amin’ny maha lahy na maha vavy ara-boajanahary (VBG). Hanoro lalana sy hanabe ireo olona niharan’izany eo amin’ny fiarahamonina ny mpampiofana ao anatin’ny ivontoerana mahakasika io lohahevitra io.
Mbola hitohy hatrany ny sekolin’ny ray aman-dreny satria fototra nahazoana ny ivontoerana Vaha. Hiitatra any amin’ny faritra ny fifampizarana ao anatiny, mandritra ity taona ity, fa hotovonana ny fampivoarana eo amin’ny fiainana (dévéloppement personnel).
Momba ny fampiofanana, ho an’ireo tena liana hanaraka, misy lohahevitra havoaka isam-bolana ka afaka manatona ireo maniry hiofana. Ho an’ny fanabeazana kosa, rehefa fialantsasatra no hanatontosana ny fizarana momba ny fototra mila fehezina.
Afaka miantso mpampiofana manokana momba lohahevitra iray ankoatra ireo ny ivontoerana raha misy ny filana. Misy fandraisana anjara takina amin’ny mpisitraka hampihodinana ny ivontoerana. Telo ireo hampiofana : Rasoanindrina Margeurite, Randriamanana Naritiana ary Rafaniriantsoa Aimé Elia.

Ny ankohonana no sekoly voalohany
Momba ny herisetra izay mirongatra amin’izao fotoana izao, nambaran-dRasoanindriana Marguerite, fa tsy kolontsaina malagasy ny herisetra fa vokatry ny fiainana nihasarota sy ny tsy fahampian’ny fanabeazana ao anaty ankohonana. Sekoly voalohany ny ankohonana rehefa milamina tsara ny ao anatiny, mizotra hoazy ny fanabeazana.

Vonjy

Partager sur: