«International Catering Cup» 2025 na «Coupe du monde des traiteurs» 2025. Tsy nitsanga-menatra ny solontena Malagasy nandray anjara tamin’ity fifaninanana iraisam-pirenena lehibe momba ny fandrahoan-tsakafo sy ny tontolony ity. Azon’ny ekipa notarihin’i Chef Lalaina Ravelomanana nahitana an’i Cheffe Fenosoa Rahajamalala sy Cheffe Bodo Rakotovao ny laharana voalohany maneran-tany, teo amin’ny hatsaran’ny « dessert », sy ny laharana fahefatra maneran-tany teo amin’ny tolotra nomen’izy ireo, nandritra ny « International Catering Cup » 2025. Nahazo ny laharana voalohany ry zareo Frantsay, faharoa ny avy any Italia ary ny solontena avy any Japon no laharana fahatelo teo anoloan’i Madagasikara. Nitana ny laharana fahafito kosa i Etazonia izay tompondaka ny taona 2023.
Marihina fa anisan’ireo fifaninanana iraisam-pirenena lehibe eo amin’ny tontolon’ny fikarakarana sakafo ny «International Catering Cup ». Ny « Confédération Nationale des Charcutiers Traiteurs » no mikarakara azy isaky ny 2 taona. Saika mandefa solontena hatrany ireo firenena malaza amin’ny nahandro. Ho an’ity taona 2025 ity, 12 ireo firenena nandray anjara. Nandritra ny Lyon dans le cadre du Salon internationale de la restauration, de l’hôtellerie et de l’alimentation (Sirha) notanterahina tany Lyon no nanatontosana ny «International Catering Cup».
HaRy Razafindrakoto