Nahaontsa ny maro ny zava-nitranga, omaly. Aina roa no indray nafoy, vokatry ny taribin-jiro tsy voaaro eny
anivon’ny fiarahamonina eny. Nandatsa-dranomaso ny maro ny nahalalana fa niezaka ny nanala sy nanavotra ny namany ny iray. Tsy nisy azo nialana nenina fa niara-nody any amin’ny Ray, tao anatin’ny indray mipi-maso izy ireo.
Tsy misy maty raha tsy tapitra andro, hoy ny fiteny mahazatra. Loza mety azo sorohina tsara anefa ny tahaka itony. Voina tsy tokony hahatratra ny hafa intsony amin’ny manaraka. Tranga natao hampisaina sy handraisana andraikitra. Antony tokony hijoroan’ny eo anivon’ny Jirama, hanamafy ny fisafoana ny fotodrafitrasany.
Iza no tsy mahalala fa efa koaky ny taona sy antitra diso tafahoatra ny fitaovan’ity orinasa ity? Indrisy anefa, zara raha misy ny fanaraha-maso sy ny fikojakojana ara-potoana. Manampy trotraka ny tandrevaka sy ny gaboraraka ataon’ny mponina. Mahavariana ny mahita ireny taribin-jiro miampitampita isaky tokantrano eny amin’ny faritra maro.
Tsy vitan’ny manaratsy endrika ny tanàna fa sady halatra no famonoana olona. Efa tsy mandoa vidin-jiro, mbola tsy miahy mpiara-belona. Manao izay danin’ny kibony ny mpandika lalàna. Mazava ho azy, tsy misy tahotra izy ireny satria mahafantatra tsara ny fomba fiasan’ny orinasam-panjakana. Samy manao izay mampahazoazo aina azy.
Tokony hiofo sy hiala amin’ny fanaovan-dratsy mamono tsy manan-tsiny ny Malagasy. Lasa ny samy madinika no mifamorika sy mifamono. Ny olana anefa, tsy mahazaka ny voina fa mifanilika andraikitra hany ka manome vahana ny mpanao kely tsy mba mamindro sy ny tsindrio fa lavo. Samia mandinika lalina fa tsy mety ilay mifamono tahaka izao.
r.r