Minisitra Andriantsitohaina Naina : “Ampy izay ny korontana politika”

“Efa ampy izay ny koron­tana politika sy ny fikoronta­nana mitranga. Maniry hifantoka amin’ny fiainany sy ny asany andavanandro ny vahoaka. Tonga ny fotoana mba hahazoantsika hiara-miasa ao anatin’ny fahatoniana, hiala amin’ ny ady sy ny fifandrafiana, ary hifantoka tanteraka amin’ny fampandrosoana”. Io ny kabarin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, teny amin’ny lapan’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, Analakely, omaly, nametrahana ny ben’ny Tanàna, Ramanan­tsoa Harilala, taorian’ny famindram-pahefana tamin’ny PDS.
Nandalo fifaninanana henjana ny fifidianana, fa azo ta­min’ny fomba madio sy mendrika ny fandresena. Fandre­sena izay manamarika ny fitokisan’ny vahoakan’Antana­na­rivo ny ben’ny Tanàna, manaporofo ny heriny sy ny fahavonony ary manamafy ny vinany ho an’ny tanàna. “Amin’ny maha ben’ny Tanàna ahy teo aloha, milaza aminao, Rtoa ben’ny Tanàna, fa asa sarotra ny miandry anao. Asa manome fahafinaretana sy fahafaham-po koa izany, raha vita amim-pahamendrehana sy tanterahina amin’ny fo madio”, hoy izy.
Ny mafy indrindra: na ezaka lehibe aza no atolotra, sarotra ny mahafaly ny rehetra. Na voa­vaha aza ny olana maro, tsy misy fetrany ny faniriana an­drasan’ny tanàna sy ny vahoaka. Entina amim-pahamarinana sy fitiavan-tanindrazana ary fitiavana ny tananà. Nanenta­niny ireo mpiasan’ny kaominina hanohana an-dRtoa ben’ny Tanàna. Tsy maintsy lohalaharana ny tombontsoam-bahoaka. “Rtoa ben’ny Tanàna, andraikitra lehibe no ankinina aminao. Anjaranao ny manohy ny ezaka ho fanatsarana an’Antanana­rivo, ny fahavononana sy ny fahasahiana. Matoky aho fa anananao izany, izay tena ilaina amin’ny andraikitra masina sahaninao”, hoy ihany izy.

R. Nd.

Partager sur: