Nety ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta. Havaozina izany ho an’ny taona 2025, ka hitondra teny sy hisolo tena ny Orange Madagascar hatrany i Lion Hill.
Anisan’ireo mpanakanto malaza amin’izao fotoana izao i Lion Hill. Tanora manana vina sy firehana mifanaraka amin’ny fijerin’ny Orange Madagascar, nosafidian’ity farany ho ambasadaorony, nanomboka tamin’ny fanamarihana ny faha-20 taona, tamin’ny taona 2023 izy. Be ny vita, ary nahitam-pahombiazana ny fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta, nandritra izay roa taona izay. Nanapa-kevitra, araka izany, ny hanavao ny fiaraha-miasa izy ireo.
Tontosa omaly, ny fanaovan-tsonia ny fanaovaozana ny fiaraha-miasa, teo amin’i Frédéric Debord, tale jeneralin’ny Orange Madagascar sy i Lion Hill. “Manamarika dingana lehibe amin’ny fanamafisana ny fanakakaizan’ny Orange ny tanora ity fanavaozana fiaraha-miasa ity. Ankoatra ny mahabe mpankafy azy, mitovy fijery sy mizara ny soatoavina voizinay i Lion Hill, ka mendrika ny maha masoivoho azy”, hoy ny tale jeneraly.
Hanatontosa dokambarotra miavaka ity mpanakanto ity. Ho tazana amin’ireo hetsika rehetra karakarain’ny Orange Madagascar ihany koa izy. Araka izany, ho mpitondra tenin’ity orinasan-tserasera ity, amin’ireo andraikitra raisiny amin’ny fiarahamonina i Lion Hill.
“Atövo tonga agny” ilay hira nahafantarana voalohany an’i Lion Hill, 10 taona lasa izay. Nanoritra ny lalany io, satria niavaka tamin’ireo hira indray nivoaka, na samy nalaza aza. Avy amin’ny tanora ho an’ny tanora, saingy nambabo na ireo efa zokinjokiny aza ny “Anjakanao”, “Ho avy”, “Hikeo”, “Ambila” fa indrindra ny “Donia”. Gadona manaraka ny fitsoky ny rivotry ny mozika maneran-tany koa, manafangaro ny Rn’B amin’ny afro-dancehall no voiziny, ary mbola tsapa amin’ireo hira nivoaka faramparany, toy ny “Magnanio” izany.
Mazava loatra fa i Lion Hill no namorona ny “Tafa be”, hira fanevan’ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny Orange Madagascar tamin’ny taona 2023.
Zo ny Aina