Sombim-baovao

Tontosa, omaly, tetsy amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny Tanora (MJS) teny Ambohijatovo, ny fifamindrana andraikitra, teo amin’ny mpitantana ny seraseran’ny MJS teo aloha sy ny Talen’ny serasera vaovao, Randrianarisoa Riana Raymonde.
Araka ny fikarohana natao, hatao any Rabat Maroc, ny alatsinainy ho avy izao, ny antsapaka hahafantarana ireo mpiray vondrona amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra (Can 2025), hotontosaina any Maroc. Tsiahivina fa miisa 24 ireo firenena tafita amin’izany.
Hanomboka anio, ny fiadiana ny tompondaka eo anivon’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety. Lalao valo no hotanterahina hanombohana ny fifaninanana amin’ity faran’ny herinandro ity, eny amin’ny kianja Barea Mahamasina, hahitana ny sokajy latsaky ny 16 taona lahy sy vavy sy ny sokajy N1B lahy sy vavy.
Mitohy hatrany ny fanomanan-tena ataon’ny Ankoay lehilahy, hiatrehana ny dingana farany fifanintsanana « Afrobasket 2025 » etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Fanamafisana sy ny tanjaka sy ny herim-batana no hifantohan’izy ireo amin’izao fanomanan-tena tapany voalohany izao.

Partager sur: