Hotanterahina, anio, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Cercla Germano-Malagasy, tohatohabaton’Antaninarenina ny antsam-paribolana « Volam-pahavaratra », hiarahana amin’ny Faribolana Sandratra. Hisy hatrany ny fotoana hifanakalozan-kevitra eo amin’ny mpanatontosa sy ny mpanatrika mba hahazoana manatsara ny tontolon’ny soratra.
24 janoary, «Andro iraisam-pirenena ho an’ny fampianarana ». Tsy azo hodian-tsy hita, satria, tsy afa-misaraka amin’io ny sekoly, ny mpianatra, ary ny mpampianatra. Maro amin’ireo no misy olana goavana ho an’i Madagasikara. Nanomboka ny taona 1960 nandalo ny 1975 mipaka amin’izao taona 2025 izao. Tsy mbola misy vahaolana mazava izy ireny. Ny antony ?…
Fihaonamben’ireo mpankafy rock, rahampitso. Eny amin’ny Garage Rock Café 67 Ha ny fotoana, manomboka amin’ny 11 ora. Ankoatra ny fifampiarahabana noho ny taom-baovao, fampihaonana ireo mpisehatra rehetra anatin’ny tontolon’ny rock, na zokiny na zandry taty aoriana io fotoana io. Tsy mpihira sy mpitendry ihany, fa misy koa ireo tsy mpanakanto mandala ny kolontsaina rock antsoina ao. Hanana solontena ireo avy any amin’ny faritra amin’io.
« Ny soa fianatra » ! Tsy nijanona hatreo intsony Ramalagasy. Na soa na ratsy, nalainy tahaka avokoa. Anisan’ny nanomba ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy io tranga io. Manao feo an’orona ny mpihira iray. Roboka nanaraka izany ny hafa. Nandrovitra pataloa ny mpiara-mianatra. Saika ny iray sekoly, nandrovitra ny pataloany. Efa mitady ho tafiditra hatrany amin’ny fomba sy fady io fakan-tahaka be fahatany io.