VAOVAO TAMBATRA

Hananganana toby fivarotan-tsolika ny distrika miisa 38 tsy mbola manana eto amintsika. Hotaterina amin’ny sambo ihany koa ny solika mankany Mahajanga sy Toliara. Nodinihina ny fifanarahana eo amin’ny Jirama sy ny mpamatsy solika amin’ny lafiny famatsiana ny milina.

Fomba ahavitan-tena ara-bary ny fanapariahana ny fitaovana mekanika. Hamoraina ny fahazoana masomboly sy zezika ny tantsaha. Havaozina ny fitantanana ny rano sy ny fotodafitrasa manondraka ny lemaka. Hamboarina ny lalana hamoahana ny vokatra. Nivoitra ireo nandritra ny asam-baomiera tamin’ny fikaonandoha mikasika ny fambolena teny Ivato.

Vita ny fanarenana ny arabe « Avenue » ao Fenoarivo Atsinanana. Avy amin’ny Tahirimbolan’ny lalana (FR) ny vola nanaovana ny asa, notanterahin’ny orinasa Metalu. Noraisina vonjimaika, omaly, ny asa, notanterahin’ny tompon’andraikitry ny Fotodra­fitrasa (DINFRA) sy ny fitantanam-paritry (DRTP) Ana­lanjirofo.

Miisa 10 000 ny zanakazo nambolen’ny mpiasan’ny primatiora, omaly. Mahatratra 9 ha ny velaran-tany nanatanterahana izany teny Ambatombo­lamena, fokontany Amboniandrefana, distrika Atsi­mon­drano. Nitarika ny fotoana ny praiminisitra Ntsay Christian, notronin’ny mpiasa rehetra.

Partager sur: