Tapa-tongotra sady vaky tetamaso ny lehilahy iray nodomin’ny fiara an’olon-tsotra teny Ambohimahitsy, ny sabotsy 26 janoary teo. Avy any Ambatolampy io lehilahy niharam-boina io, araka ny fanazavany tamin’ireo namonjy azy. Nandeha mafy ny fiara ka nahavoa ny tongony. Nianjera tamin’ny arabe, nijanona minitra vitsy nijery io olona voadoana io ilay mpamily ka nomena vola 5 000 Ar. Lasa nanohy ny lalany ity farany taorian’izay. Tsy tafahetsika teo amin’ny toerana nahavoa azy anefa ilay niharan-doza. Mpandalo no naka sary azy ary nanamparitaka ny fahavoazany tao anatin’ny tambajotran-tserasera. Tapaka tanteraka ny vavaranjon’io lehilahy lasibatra io. Voatery nentina nihazo ny hopitaly HJRA izy. Manaraka fitsaboana. Ankoatra io, mpitondra moto nifatratra tamin’ny sisin-dalana teo Andohatapenaka, ny sabotsy 26 janoary tolakandro teo. Niditra ny “rond-point”, tsy voavilin’ilay lehi-lahy ny moto Jog nentiny. Nanitsy avy hatrany tamin’ny sisin’ arabe. Voa mafy ny tongony.
Tsiferana R.