Antoko MMM : «Ilaina ny fahasahiana sy ny fijoroana…»

Nanatanteraka fifampiarahabana noho ny taona vaovao ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, ny faran’ny herinandro teo. Nambaran’izy ireo tamin’izany ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena.

«…Tena sahirana ny vahoaka… Ilaina ny fahasahiana mijoro sy manova ho amin’ny tsaratsara kokoa», hoy ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo Hajo tamin’ny lahateniny, tetsy Ankerana. Nambarany fa tsy hanao tahaka ny sasany ka haka fahefana nefa hamerina ny hadisoana nataon’ny teo aloha ihany. Antony nisarahan’ny antoko tarihiny tamin’izao fitondrana izao izany, araka ny nambarany. Nohitsiny koa fa tsy midika ho fizahozahoana tahaka ny fanaon’ny mpanao politika sasany ny fahazoana na ny fakana ny fahefana ka ilazana fa “Anay ny tanàna” na koa ireharehana fa “Anjaranay indray izao”. “Ani­san’ny antony nahavoa sy nahalatsaka ny firenena tahaka izao izany”, hoy izy.
Voatsiahy tamin’izany fa manana foto-kevitra mazava ijoroana miaraka amin’ny vinanasa ny eo anivon’ny MMM. Sarotiny amin’ny fikatsahana mamiratra ho an’ny hoavin’ny firenena.

Sakana sy fanenjehana ny MMM
Nanteriny fa betsaka ny sakana sy ny fanenjehana ary ny olana nandalovan’ny antoko. “Tsy nampiova antsika anio sy rahampitso izany”, hoy ihany izy. Tsy mahasoa ny firenena ny tsy fiekena ny tsy mety ka ilana fanarenana, araka ny nambarany. Velona sy mijoro ary mikatsaka ny soa sy ny tsara ho an’ny firenena ary ny taranaka hatrany ny antoko, araka ny nambarany. Notsindrin’ny birao politika, Ramaroson Laurent, kosa fa mandray anjara amin’ny raharaham-pirenena hatrany ny MMM. Noezahina nopotehina amin’ny fomba rehetra izy ireo, araka ny nambarany. “Natsangana ho fahavalo ny antokontsika vao nanomboka ny fifidianana ary natao tamin’ny fomba rehetra mihitsy izany…”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: