Baolina kitra: Maniry ny hiaro ny voninahi- pirenena i Bolo

Efa akaiky ny lalao roa hihaonana amin’i Centraf­ri­que sy i Ghana. Misy ireo Malagasy mpilalao milaravinahitra any ivelany, vonona hitondra ny anjara birikiny amin’ny ekipa nasionaly Barea.

Ankoatra ny ao Frantsa sy La Réunion ary ireo firenena manodidina, misy Malagasy mpilalao baolina koa any Allemagne. Anisan’izany i Voahariniaina Kanto Fitiavana (Bolo), 27 taona mipetraka any Berlin Allemagne, izay milalao ao amin’ny klioban’ny Hertha Zehlendorf 03. Mitana ny toeran’ny elatra havia sy havanana izy ary tompon-toerana mihitsy ao anatin’izany ekipa izany. Manana vina goavana ny hisalotra sy hiaro ny voninahi-pirenena izy, ary vonona ny hantsoina Barea de Madagascar.
«Tanjoko voalohany ary faniriako hatramin’izay ny hanao Barea hiaro ny voninahi-pirenena ary hitondra ny traikefa azoko taty ampita sy hanome izay vitako, amin’ny lalao hatao ny volana marsa satria manan-danja izany fihaonana izany», hoy izy. Hetahetan’i Bolo, efa hatramin’ny fahakeliny ny hisalotra ny akanjon’ny Barea ka hanomezany ny anjara birikiny ho an’ny firenena.
Tsara ny mampahafantatra fa vao nifindra tamin’ity «mercato» ity izy, fa tao amin’ny Tus Makkabei Berlin, ny taona 2019 ka hatramin’ny 2024. 6 taona izay no nipetrahany tany Allemagne ka efa nahatratra 153 ny lalao nataony ka nahafatesany baolina miisa 45. Efa niatrika ny fiadiana ny amboaran’i Allemagne, ity Malagasy mpilalao ity, ny taona 2023 ka nifandonany tamin’ny Wolfsburg D1. Anisan’ireo mpilalao 11 nilalao ny 90 mn i Bolo.
Tombony ho azy ny tanjaka sy ny hafainganam-pandeha ary ny hakingana eo ambony kianja.

Hiakatra diviziona ambony

Ankoatra izay, tanjon’i Bolo manaraka ny hiakarany ao amin’ny diviziona ambony indray miaraka amin’ny Hertha Zelendorf 03. Tsiahivina fa Malagasy ray sy reny i Bolo ary efa nifanintsana teto Madagasikara. Niala teto an-tanindrazana izy, ny taona 2018 ary nandranto fianarana tany Allemagne. Efa eo am-pamaranana izany izy amin’izao fotoana izao. Efa maro ny ekipa nilalaovany teto Madagasikara. Nanombohany izany, tao amin’ny Ajesaia Ambohimandroso. Nifindra tao amin’ny FC Kinga Sport avy eo ary nanao D2 niaraka tamin’ny FC Tana ary nanao Uscafoot, niaraka tamin’i Coach Titi Rasoanaivo.

Fitia Randria

Partager sur: