Teny roa mitovitovy faneno sy fanonona ny hoe : Ny ela maharay roa sy ny ela maha re roy. Rehefa dinihina anefa, sasanangy samy hafa ireo ary tsy misy hifandraisany na kely aza. Mitombina amin’ny atleta sy ny mpitantana fanatanjahantena avokoa anefa izy roroa. Raha hitondrana fanazavana, ny ela maharay roa dia teny hanambarana fifandraisana efa ela nisy teo amin’ny olon-droa ka lasa mifankahazo am-po sy an-tsaina, mifampihinana ny manta sy ny masaka. Mifampizara ny mahasoa ny mahafinaritra ary miara-mizaka ny mangidy sy ny sarotra. Mipetraka mazava tsara ny fifanajana eo amin’ny andaniny sy ny ankilany.
Raha ho an’ny fanatanjahantena iombonana, mitombina ny ela maharay roa. Vao mifampijery fotsiny ny maso dia efa mahafantatra ny handefasana ny baolina ny iray. Tsy mila miantsoantso fa fihetsika fotsiny dia efa tonga ny hafatra satria ny ela maharay roa. Io ilay antsoin’ny teknisianina hoe : «Automatisme».
Io ela maharay roa io anefa mazàna, mivadika ho ny ela maha re roy. Io teny farany io milaza fa ilay fifanakaikezana am-po nisy teo amin’ny roa tonta rehefa maharitra ela, mivadika tsy fifanajana ka mifanao re roy. Raha tsorina, toy ny mifanao ialahy na ilay ity «leity». Vokatr’izay, tsy mipetraka intsony ilay fifampitokisana. Lasa mifanebaka eny imasom-bahoaka.
Raha oharina amin’ny fitantanana ny federasiona na ligy na seksiona io teny io dia ny anarana maha mpitondra sisa no eo amin’izy ireo fa efa lasa ny ela maha re roy. Mandeha ila tahaka ny kavin’ny zatovolahy. Tsara anefa ny ela satria mahatavy ny mahia, mahamaro ny vitsy. Ratsy koa nefa ny ela fa maha osa ny matanjaka, mahatonta ny soa.
Aleo nefa ela maharay roa, toy izay ela maha re roy.
Tompondaka