“Matanjaka hatrany ny vondrona politika miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Tsy azo atao sorona intsony ny vahoaka, fa tokony hiara-miasa tanteraka amin’ny fitondram-panjakana mijoro”. Io fanehoan-kevitry ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, faritany Fianarantsoa, i Fomendraza Haingo Elisette, tany amin’ny renivohitr’i Matsiatra Ambony, tamin’ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny valim-pifidianana ofisialy tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna. Tokony hiara-miasa ho amin’ny fampandrosoana izay na ireo mahaleo tena na ireo avy amin’ny antoko hafa. Natao hiara-miasa ny ben’ny Tanàna… Sanatria hoe ny maro anisa, nefa be tsy andraofana. Tsy izay maro anisa izay no tena ilaina. Fa hoe maro anisa tokony hihazakazaka mankany amin’ny fampandrosoana.
Raha ho an’ny faritany Fianarantsoa manokana, mahavelombolo satria any amin’ny 272 amin’ny kaominina 430 ny ben’ny Tanàna azon’ny vondrona politika miara-dia amin’ny fitondranam-panjakana. Rehefa natao ny fanisana ireo mpanolotsain’ny Tanàna voafidy dia maro toy izay ihany koa ny azon’ny vondrona Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar). “Matanjaka sy miaina ary velona ny vondrona miara-dalana amin’ny fitondram-panjakana”, hoy izy. Efa tapitra izay ny fanaovana politika amin’ny fifampihantsiana sy ny fifanandramana hery. Etsy andaniny, miantso ny rehetra hiara-miasa amin’izy ireo hiaraka hitondra fampandrosoana miainga any ifotony ireo ben’ny Tanàna voafidy.
R. Nd.