Fahasahiranana mba aoka…

 

Fidangan’ny vidim-piainana, fahasahiranana noho ny haintany… Manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fisian’asa, ny olana amin’ny famatsian-jiro… Izany no manahirana ny vahoaka amin’izao, tanisain’ny mpanao politika sasany fa mila fifanatonana, fifampidinihana, vahaolana. Izay ela izay, tsy nisy resaka firy an’izany na tanisaina lava aza ny fahasahiranam-bahoaka. Noho ny fanoherana valim-pifidianana hoe misy hosoka sy hala-bato no andranitana vahoaka hihetsika sy hidina an-dalambe. Hamaha ny fahasahiranana ve izay? Vao mainka hanampy trotraka aza… Rehefa tsy voavahan’ny samy mpanao politika izay heverin’ny sasany ho olana politika dia ny vahoaka no tairina sy ranitina?
Inona ny famahana olana amin’ny fanakorontanana? Miady mafy izay isian’ny fitoniana sy filaminana ho amin’ny fahamarinan-toerana ny fitondram-panjakana. Ady fiady! Izay no hisian’ny fampandrosoana. Nefa ny fampandrosoana koa no mahatonga ny filaminana marina sy maharitra. Mila asa mafy ao anatin’ny fahasahiranana izany? Eo ny olana marolafy fa maika avokoa ny zava-drehetra, ny fanelingelenana sy fitsikerana amin’izay mitranga sy atao rehetra… Misy milaza fa mihetsika ho azy ary tsy ho voasakana ny vahoaka, rehefa mby amin’izay tsy zakany intsony. Ilaina ny asa haingana sy mivaingana amin’ny fanamby sy izay nampanantenaina. Izay no hisian’ny fahamarinan-toerana?
Atao izany izay lazaina, lazaina izay atao. Fangaraharana izany, fifampitokisana… Izay matoky tena no azo atokisana, izay tsara famindra no tsy tafintohina… Ny politika dia politika, arakaraka ny fifandajan-kery sy ny tombontsoa iadiana na arovana. Aiza ho aiza? Ny vahoaka no hoe tompon’ny teny farany. Ny fahasahiranam-bahoaka mba aoka tsy atao fitaovana politika?

R. Nd.

Partager sur: