Iray amin’ny sehatra lehibe hivelaran’ny tontolon’ny jazz ny Cercle Germano-Malagasy na ny CGM etsy Analakely. Nohatevenin-dry zareo avy ao amin’ny Jazz Club izany ka itondrany hetsika lehibe isaky ny alatsinainy.
Fivelarana, fampitiavana, famohazana talenta, fanatevenana traikefa, fifanakalozana… Anisan’ny ampahany amin’ilay fandaharanasa vaovao tontosain’ny Jazz Club CGM GZ isaky ny alatsinainy, ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy (CGM) ireo. Manomboka anio, hanao tohivakana sady samy hanana ny lanjany ny fandaharam-potoana tsirairay. Hahazo ny manandrify azy avy, ny efa ao anatin’ny jazz, na ireo maniry ny hiditra na ny te hahafantatra ny tontolon’ny jazz.
Amin’ny ankapobeny, manomboka amin’ny 2 ora ka hatramin’ny 5 ora latsaka fahefany ny fianarana. Hizara enina ny zavatra atao : « projection », « Atelier – Master class », « standard de jazz », « application – pratique », « séance d’information » ary « Jam session ». Ahitana fifampiankinany ihany koa ireo fandaharam-pianarana ireo.
Fandaharam-potoana manome lanja ny fifanakalozana
Manome lanja lehibe ny fifanakalozana sy ny fifampizarana ny Jazz Club CGM. Ahitana taratra izany ny fandaharam-potoana tsirairay. Mandritra ny « projection » no handefasana ireo tahirin-tsarimihetsika mirakitra seho an-tsehatra sy tahiry an-tsary momba ny jazz sy ireo mpiangaly azy. Ny « atelier – master class » hotarihin’ireo mpitendry na mpihira jazz efa manana ny lazany. Tsara ho an’ireo te handalina ny fahalalana efa eo am-pelatanany raha ny fanazavan’ny mpikambana ao
amin’ny Jazz Club CGM. Ny « standard de jazz », ampaham-potoana hiarahana mitendry ireo klasika jazz. Ny « application – pratique » ampahana fotoana hampiharana ireo fahalalana azo. Ahafahan’ny tsirairay miatrika fampiharana sy fifampizarana ho an’ny rehetra. « Jam session », fiarahana mitendry ao anatin’ny fifamatorana am-po anjakan’ny fifankatiavana.
HaRy Razafindrakoto