Fanatsarana ny fanabeazana : Nivoitra ny fomba fiasa mahomby 25

Nametrahana sekoly maodely 60 eto Madagasikara, izay niompanan’ny fanadihadiana nataon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Unicef, ny taona 2023. Ni­voaka avy tamin’ny fanadihadiana ny fomba fiasa 25. Tombanana hitondra fanatsarana ho an’ny fanabeazana eto amintsika izany. Nivoitra fa mahomby ny fitadiavana vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy isam-paritra hanatsarana ny fampianarana. Nisongadina ny vokatra azo tamin’ireo sekolim-panjakana amin’ny ambaratonga fototra 60 ireo ka izay no nisafidianana azy ireo hanaovana fanadihadiana. Azo hitarafana ny zava-misy mampiavaka ny faritra samihafa manerana ny Nosy amin’ny sehatra sosialy sy toekarena rahateo ireo sekoly ireo.
Sehatra dimy no nanatsoahana ireo fomba fiasa 25 mahomby ireo : fitantanana ny sekoly, fomba fampianarana, tontolo manodidina ny sekoly, fandraisana anjaran’ny olona eny ifotony. Mahomby ny fivoriana tsy tapaka eo amin’ny mpanabe sy ny mpitantana hizarana ny fivoaran’ny fahaizan’ny mpianatra. Ahazoana vokatra koa ny fitsapana matetika ny fari-pahaizan’ny kilonga hanitsiana ny lesoka sy ahazoana manova ny fomba fizarana ny lesona sy ny fampiharana.
Zava-dehibe koa ny fihaonana eo amin’ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny. Tanjona amin’izay ny hahafahan’ireto farany manara-maso ny fianaran-janany any an-trano sy hanomezana tosika raha ilaina. Amin’izao fotoana izao, betsaka ny sekoly efa mampihatra ity fomba fiasa iray ity isaky ny tapitra ny roa volana. Arahana fitsapana ho an’ny taranja ianarana rehetra izany.

Vonjy

Partager sur: