Fandrindram-piterahana taona 2024 : Niakatra ho 55,5 % ny tahan’ ny fampiasana azy

Misandrahaka mankany amin’ny fanatsarana ny tolotra sy ny rafitra ara-pahasalamana ary ny kalitaon’ny fitsaboana amin’ny fijerena ny maha olona ny asa sy ny ezaka rehetra notanterahina eto anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Niakatra ho 55,5 % ny tahan’ny fampiasana fa­nafody fandrindram-piterahana, ny taona 2024.
4 192 095 ny isan’ireo vehivavy nampiasa tsy tapaka ny fomba fanabeazana aizana raha 3 800 000 no tanjona hotratrarina, hoy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, nizara ny vokatry ny asa nandritra ny taona 2024. Voalaza fa niampy 1 196 133 ny isan’ny mpampiasa vaovao raha 1000 000 ny tanjona napetraka. Nihena 25,2% ny tahan’ny zaza teraka eny anivon’ny tobim-pahasalamana sy ny hopitaly. Mihoatra ny vinavina raha tsy nisy mihitsy ny ezaka natao momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana. Ho an’ny fahasalamana manakaiky vahoaka, 1 159 948 ireo olona nisitraka ny tolotra fahasalamana maimaimpoana manerana ny Nosy, tao anatin’ny hetsika rehetra nokarakaraina, niaraka amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny fikambanana Fitia ary ny mpiray ombon’antoka maro. 241 008 tamin’ireo nandritra ny diabe nahitana fiarabe mitondra tolotra fahasalamana, fitarafana samihafa. Olona 282 956 tao anatin’ny varavarana misokatra nokarakarain’ny hopitalim-panjakana. 546 186 ny isan’ireo mponina nanomezana tolotra fitsaboana sy fizahana maimaimpoana ho an’ny daholobe teny amin’ny tobim-pahasalamana sy hopitaly manerana ny Nosy. 16 880 ireo zokiolona mihoatra ny 65 taona nokarakaraina manokana ny fahasalamany. Nan­dritra ny taona 2024, zaza 23 293 no voafora teny amin’ny faritra maro.

Nisy ny hetsika fahasalamana nentin’ny Merci Ships, Médecins de l’Océan indien ka 21 293 ireo olona nisitraka ny tolotra fahasalamana.
338 876 ireo nisitraka fandraisana an-tanana tamin’ny fonds d’urgence teny amin’ny tobim-pahasalamana sy ny hopitaly : 221 568 teny amin’ny CSB , 35 129 teny amin’ny CHRD, 20 940 teny amin’ny CHR ary 61 239 teny anivon’ny CHU.

Vonjy

Partager sur: