Fanondranana olona antsokosoko : Enina mianadahy nalefa eny Antanimora

Enina mianadahy niray tsikombakomba manondrana Malagasy miasa any amin’ny tany arabo tra-tehaky ny polisy. Nalefa eny Antanimora tao­rian’ny fampanoavana ireo voasaringotra, ny 21 janoary teo. Nihaodihaody teny Anosy tao amin’ny toerana fanao­vana pasipaoro, olona am-polony nampiahiahy ny mpitandro filaminana. Nanaovana fanadihadiana lalina ny momba ny tany handehanan’izy ireo. Nandrisika azy ireo hanao ny fangatahana pasipaoro ny hiasa any ivelany. Miisa 15 mia­nadahy ireo olona tra-tehaka ireo. Natao famotorana, mikasa hahazo pasipaoro ahafahany mandeha any Oman ny sivy. Olona enina hafa mpikarakara ny taratasy izay anisan’ny lohandohany anatin’ilay tambajotra mpanondrana olona. Manana taratasy hosoka ma­romaro izy ireo. Entina hanam­piana sy hanamorana ny fahafaha-mivoaka ny sisintany malagasy ho an’ireo mpiasa mikasa hiondrana no tanjony amin’izany. Niara-notanana natao fanadihadiana izy ireo. Voamarina fa nahazahoan’ ireo mpanondrana olona ireo vola avokoa ireo vehivavy nikasa hiasa any ivelany ireto. Voatazona am-ponja vonjimaika izy enina mianadahy mandra-piandry ny fotoam-pitsarana.

73 tra-tehaka
Nahatratra 73 mianadahy ireo mpiondrana antsokosoko saron’ny mpitandro filaminana ho an’ny zandarimariam-pirenena tamin’ny taona 2024. Nahitana malagasy sy teratany vahiny izany. Na izany aza, mitohy ny ady atao amin’ireo tambajotra manamora ny fahafahan’ireny olona ireny mivoaka na miditra ny sisin­tany malagasy kanefa tsy manara-dalàna. Miara-miasa ny eo anivon’ny mpitandro filaminana rafetin’ny polisim-pirenena sy ny zandarimaria amin’ ny fanatrarana azy ireny.

Tsiferana R.

Partager sur: