FANTINA sy FINTINA

Voafidy ny zoma teo ny biraon’ny filankevitry ny Tanànan’Antananarivo. Filoha, maharitra, An­driam­parany Guy Ralitera avy amin’ny Irmar. Filoha lefitra kosa ny amin’ny HE Mada, Toavina Ralam­bomahay. Mpampiaka-teny voalohany Navalona Francky Rakotoaritiana (Mouvement Gasikara) ary mpampakan-teny faharoa ny Tim, Nomenjanahary Nasandratra.
Nambaran-dRakotoarisoa Alban na i Gang­s­t­a­bab fa nisy namadika ireo mpanolotsaina eo anivon’ny fanoherana ao amin’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo. Tokony ho voafidy ny tenany, kandidàn’ny mpanohitra ho filohan’ny filankevitra. Nivadika ny sasany amin’ireo namany ka resy ny tenany, tsy nahatratra ny vato 30.
Namboly hazo miisa 10 000 amin’ny velaran-tany 9 ha eny Ambatombolamena, kaominina Ambalavao Atsimondrano ny fianakaviamben’ny Primatiora, afakomaly. Nitarika izany ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Nambarany fa dingana iray enti-miady amin’ny faharefoana ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro ny fambolen-kazo tahaka izao.
Nahazo fitaovana vaovao ny TVM/RNM ao Ranomafana, Ifanadiana. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny serasera sy ny fampitam-baovao izany ary anisan’ny politikan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina (MSK). Mikendry ny hampitombo ny kalitaon’ny fifandraisana sy ny fampahafantarana ny vaovao, indrindra amin’ireo faritra ambanivohitra izao.

Partager sur: