Faritra andro ratsy: Mbola mitondra rotsakorana

Omaly maraina, tany amin’ny manodidina ny 376 Km andrefana somary avaratra andrefan’i Morombe no nisy ny foiben’ilay faritra andro ratsy miforona ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Mbola malefaka hatrany ny heriny. 45 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 60 km isan’ora anaty oram-baratra. Nikisaka nianatsimo Atsinanana izy ka nahafaka 10 km isan’ora. Tombanana hikisaka mianatsimo somary atsimo Atsinanana izy ato anatin’ny roa andro manaraka. Mihena ny herijika hitomboany hery ho lasa rivodoza. Na izany aza, mbola hitondra rotsakorana betsaka amin’ny faritra Andrefana, Atsimo Andrefana ary Atsimon’ny Nosy izy, mandritra izay fotoana izay. Foana ny filazana loza voarain’ireo distrika voakasik’izany fa tokony tsy hiandriaka aloha ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Besalampy hatrany Faux Cap. Satria, mikorontana ny toetry ny andro.
Nahazo fampitandremana ny mponina manamorona ny reniranon’i Fiherenana, Onilahy ary Mangoky ho mailo hatrany amin’ny fiakaran’ny rano.

Vonjy

Partager sur: