Tapa-bolana taorian’ny ny toromarika napetraky ny filoham-pirenena hampidinana ny vidim-bary dia nahitam-bokany ny paikady nandrafetana ny asa. Ankehitriny, azo jifaina 750Ar ny kapoakan’ny vary nafarana.
Manomboka hita eny an-tsena ireo vary amin’ny vidiana 750 Ar ny kapoaka. Miainga any amin’ny mpamongady ny fihenam-bidy ka tafavoakan’ny mpaninjara amin’ny vidin’ny 750Ar izany, tato anatin’ny andro vitsy. Nilaza i Johary, mpamongady eny Anosibe fa teo anelanelan’ny 5 000 hatramin’ny 8 000 Ar isaky ny gony ny fidinan’ny vary nafarana. Midina foana io vary io hatramin’izao, hoy hatrany ny fanazavany. Hita taratra eny amin’ny mpivarotra mpaninjara ny fihenam-bidy. Nambaran’i Tafita, mpivarotra eny Anosipatrana, fa nivarotra ilay vary 750Ar izy nanomboka ny zoma teo. « Midina 500 Ar ka hatramin’ny 1 000Ar isan’andro ireo gony 50 kilao. Mino aho fa mbola hitohy izany », hoy kosa i Mamy, mpaninjara eny Anosibe. Marihina fa miara-misalahy ao anatin’ny Task Force Riz ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) sy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) ary ireo mpisehatra samihafa. Mbola misokatra amin’ny minisitera hafa ihany koa ny Task Force Riz. Tanjona ny handrindrana sy hanatsarana ny seha-pihariana vary.
Paikady
Nametraka paikady manokana hampidinana ny vidim-bary ny MIC tamin’ny alalan’ny fifandresen-dahatra niarahana tamin’ireo mpandraharaha. Nisy ny fivoriana notarihin’ny minisitra, Ralambofiringa David, tamin’ireo mpamongady sy mpanangom-bokatra tany Imerintsiatosika. Nitohy tamin’ny fihaonana tamin’ireo mpandraharaha matihanina mpanafatra vary avy any ivelany any Toamasina izany. Ary mbola nifampidinika niaraka tamin’ny minisitra tany Toliara ihany koa ireo mpanafatra vary mba handrindrana ny vidin’izany eny an-tsena.
Tsiahivina fa mahatratra 4 200Ar ny kilaon’ny vary Makalioka eny an-tsena, izany hoe, 1 200Ar ny kapoaka raha mbola 3 800Ar ny kilaon’ny vary gasy. Ireto farany izay mbola mampitaraina ny mpanjifa amin’izao.
Henintsoa Hani