Vita ny atrikasa momba ny fampirindrana ny fitaovana ho fanohanana ireo niharan’ny herisetra. Tanjona ny hamaritana sy hahazoana fankatoavana ho an’ireo fitaovana valo novolavolain’ireo tomponandraikitra avy amin’ny minisiteran’ny Mponina miaraka amin’ny Unicef. Nandray anjara tamin’ny atrikasa ireo solontena avy amin’ireo minisitera hafa. Teo koa ny Vondrona Eoropeanina. Rehefa azo ny fanamarihana rehetra, hisy drafitra vaovao haroso ho eken’ny rehetra.
Ho fisaorana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra noho ny fahavitan’ny Amphithéâtre de la solidarité ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga, nisy fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, omaly, tao amin’ny Grand amphithéâtre Ambondrona.
Laharam-pahamehana ny hanatsarana ny fiahiana ara-pahasalamana ho an’ireo mpiasa malagasy any amin’ny faritra Boeny. Io no nisongadina nandritra ny dinika teo amin’ny minisitry ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana sy ny Service médical interentreprises de Mahajanga. Misahana mpiasa maro ao amin’ny faritra ny SMIM. Antoka iray amin’ny fanajana ny fehezan-dalàna momba ny asa ny fahatomombanan’ny fiahiana ara-pahasalamana.
Ho fanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny fanabeazana, nitsidika ny foibe fandraisana ireo ankizy manana fahasembanana ara-tsaina, Les Orchidées blanches, eny Androhibe ny masoivohon’i Frantsa miasa eto amintsika. Miavaka amin’ny fanabeazana mampiaty omeny ny ivontoerana ka mitovy ny vina voizin’ny fiaraha-miasa frantsay amin’ireo asa maro tanterahina eto an-toerana.