Ping-Pong: Nifindra ao La Cressonnière i Nativel

Araka ny vaovao navoakan’ny gazety iray atsy La Réunion, ny sabotsy lasa teo, nifindra ao amin’ny klioban’ny La Cressonnière, ilay Mala­gasy mpilalao ping-pong, i Jonathan Nativel. Mandritra ity taom-pilalaovana 2025 ity, no hiarovany indray ny lokon’ity ekipa vaovao hilalaovany ity. Mpilalao tany Frantsa ny lehilahy fahiny ary izao mitodidoha ao La Réunion izao. “Sa­fidy ny foko ny hilalao aty La Réunion, betsaka ny zavatra tiako hampitaina ato amin’ity klioba ity, mba hametraka tsangam-bato. Eo koa ny antony manokana ary ny ara-panatanjahantena”, hoy izy.
Tsiahivina fa 37 taona i Nativel ankehitriny saingy mbo­la manana ny maha izy azy, eo amin’ity taranja ity. Izy no Malagasy mpilalao nandrombaka medaly volamena telo nandritra ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), notanterahina teto Madagasikara. Teo amin’ny olon-tokana, ny olon-droa lehilahy ary ny isan-tarika no nahazoany izany.
Tsy nanafina ny hafaliany i Nelson Fontaine, mpanazatra ny La Cressonnière, ny amin’ny fahatongavan’i Jonathan Nativel. “Tanjona iarahana amin’i Nativel, ny handrombahana indray ny ho tompondakan’i La Réunion, eo amin’ny isan-tarika amin’ity taom-pilalaovana ity”, hoy izy.
Mpilalao nanana ny lenta ambony tany Frantsa, i Nati­vel. Nitana ny laharana faha-237 maneran-tany izy ny volana janoary 2024 ary nahazo isa 45. Handray anjara avy hatrany amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana amin’ny fifaninanam-pirenena frantsay “France Elite”, i Jonathan Nativel amin’ity, izay sady tafiditra amin’ny fanombohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i La Réunion, ny 1 febroary ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: