Sombim-baovao

Miverina indray ny kotrana ataon’ny ekipam-pirenena malagasy, taranja basikety, Ankoay, eny Imerikasinina, nanomboka ny sabotsy maraina teo. Natao izany mba hanamafisana ny tanjaka ho an’ny Ankoay, lehilahy. Ho fiatrehana ny fifanintsanana farany amin’ny « Afrobasket 2025 » ny fanazarantena na­tao.

Mitohy indray ny fifaninanana hankalazana ny faha-15 taonan’ny At2B Andraisoro rehefa niato teo amin’ny roa volana teo. Ny dingana ampahavalon-dalana no nirosoana ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianja basikety eny Andraisoro.

Manao antso ny eo anivon’ny Federasiona ny Karate-do Malagasy, ho an’ireo maniry hahazo ny mari-pahaizana DAF (Diplôme d’Animateur Fédéral). Fiofanana izay hatao ny 24 febroary hatramin’ny 2 marsa izao eny amin’ny Akademia Nasionalin’ny Spaoro Ampefiloha.

Partager sur: