Manomboka anio ka haharitra telo andro ny fihaonamben’ireo filoham-panjakana aty Afrika momba ny angovo. Hetsika tanterahana ao Dar Es Salaam, Tanzanie izay handraisan’ny filoham-pirenena malagasy anjara. Anisan’ireo lohahevitra resahana, mandritra ity « Sommet de l’énergie Mission 300 » ity, ho an’ny anio ny fanandratana avo ny tontolon’ny angovo aty Afrika sy ny politika ho an’ny fanarenana ny angovo. Horesahina ihany koa ny andraikitr’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena amin’ny fampiroboroboana ny fanovana ny angovo. Ho voaboasana rahampitso kosa ny andraikitry ny sehatra tsy miankina ao anatin’ny sehatry ny angovo aty Afrika. Hitondra fanazavana momba ny fandraisan’anjaran’ny tontolo niomerika eo amin’ny sehatry ny angovo kosa ireo matihanana samihafa. Ankoatra izay, hanana 3 minitra avy ireo filoham-panjakana handraisam-pitenenany momba ny vinan’asany apetrany ho an’ny fampiroboroboana sy hisitrahan’ireo mpiara-belona aminy ny angovo. Hofaranana amin’ny fandrefetana ireo tohana iarahana amin’ireo firenena manokana sy ny mpiara-miombon’antoky ny Power Africa ity fihaonamben’ny filoham-panjakana momba ny angovo ity.
Henintsoa H.