Taranja Jiu-jitsu : Manampy ny ankizy hahay hanaja sy hifehy tena

Raha eto Madagasikara, azo lazaina ho taranja mbola zandriny, ny Jiu-jitsu Brezi­liana. Mbola taona vitsy monja izay no nampidirana azy teto an-toerana ary nivoatra tsikelikely izany. Klioba maro no mampianatra ity taranja ity. Anisan’izany ny Klioba Club 101 Jiu-jitsu. Sokajy rehetra no mianatra ny Jiu-jitsu Breziliana ao amin’ity Klioba ity ary tena mahazo vahana ireo ankizy na katitakely.
Mampianatra ny JJB ny ankizikely ity Klioba ity noho ny fahatsapana fa afaka mifehy ny tenany sy manaraka fitsipika ary mahay manaja ny ankizy rehefa miangaly izany taranja izany. Tsy ny fanajana fitsipika ihany no ho hain’ny ankizy amin’ny alalan’ny fangaliana ny JJB fa eo indrindra ny fahaizana miatrika olana sy mitsangana manoloana ny fahakiviana sy faharesena. Manampy azy ireo tsy hanao tsinotsinona ny namany na ny ankizy hafa ny JJB. Manampy azy ireo koa ho mora hahazo ireo manodidina azy.
Tsiahivina, na dia vao haingana aza ny nisian’ity taranja ity teto Madagasikara dia efa namoaka andrarezina sahady ny JJB. Efa namoaka tompondaka maneran-tany roa lahy, ny taona 2024, izay sambany nisy teo amin’ny tantaran’ny fanatanjahantena malagasy. Midika izany fa taranja maodely ny JJB, indrindra ho an’ny ankizy.

Mi.Raz

Partager sur: