Tsy mbola zava-dehibe ho an’ny Malagasy ny tahiry. Tsy ilay atao any am-bata akory fa ilay tantara tsy azo hamaivanina. Angon-tahiry anisan’ny tsy ampy ao amin’ny ankohonana iray no mety hitarika any amin’ ny faharavan’ny maha izy azy tanteraka… Miafara any amin’ny fahavoazan’ny fiarahamonina iray manontolo. Ny malagasy sasany indray, na mahafantatra ny momba azy aza, manao tsinontsinona izany manoloana ny fakan-tahana ny an’ny hafa !
Hatramin’izao, mbola tsy tafiditra ho anisan’ ireo andro tsy fiasana eto Madagasikara ny fankalazana na fanamarihana ny Taom-baovao malagasy. Mety misy antony mahatonga izany, saingy, mila jerena akaiky ny tranga tahaka itony, satria, raha hay sy mirindra tsara ny fandaminana. Anisan’ny hampiverina any amin’ny fototra io tonon-taona iray io.
Manomboka sarotra ny mampahafantatra ny tanora fa : « tsy azy iny, na tsy azy itony, na tsy azy io… ». Antony lehibe mahatonga izany ny tsy fahalalan’ny ray aman-dreny ny fototra nipoirany. Ny tsy fahaizany mampita ny maha izy azy. Mora resy lahatry ny tanora ny raiamandreny ka manjary manara-davahana fotsiny ihany. Na ny faran’izay mamoafady aza, azo atao satria tsy miteny ny raiamandreny.
Manana ny maha izy azy ny Malagasy ? Ho an’ny kolontsaina sy ny zavakanto, mety ho fantatra amin’ny endrika ivelany sy ny vontoatiny izany. Ho an’ny fiarahamonina, mety hasehon’ny ankizy aminy lalaony, raha ny fandinihan’ny mpikaroka momba ny fiarahamonina. Fa ho an’ny Malagasy tsirairay ? Toa sarotra ny mahita izany amin’ny tena, satria, tsy maintsy « mivingitra » ny zava-bahiny (teny, fomba, finoana…) !