Voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny sampandraharaham-paritra misahana ny fikarohana fandikan-dalàna ao Menabe, ny sabotsy teo, ny teratany vahiny iray, 58 taona. Voalaza fa fampirisihana ireo zaza tsy ampy taona hivaro-tena no antony nisamborana azy. Hita tao an-tranony avokoa ireo karazana fandikan-dalàna rehetra mahakasika izany.
Ankizy roa maty an-drano tany amin’ny reniranon’i Linta, tany Androka Ampanihy Andrefana, omaly. Avotra ara-potoana ny zazavavy iray hafa ary nentina teny amin’ny hopitaly. Nilalao rano ireto ankizy ireto nefa tsy nitsaha-niakatra ny haavon’ny rano vokatry ny ora-mikija.
Notafihan’ny jiolahy efa-dahy miaro fitaovam-piadiana sy zava-maranitra ny tokantrano iray tetsy Tsarafaritra Imerintsiatosika, ny sabotsy alina teo. Nianika ny fefy ireo jiolahy ireo, nirongo basy sy antsy be. Lasan’izy ireo avokoa ny finday sy ny vola rehetra tao an-trano. Efa eo anivon’ny mpitandro filaminana ny tohin’ny fanadihadiana.
Lehilahy iray, 57 taona maty tsy tra-drano noho ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy. Tsy nahatana ny familiana izy ka nivoaka ny arabe ny fiara noentiny. Niseho teo amin’ny lalam-pirenena 34 –
PK 66 + 100 tany Bemasoandro, fokontany Ankazomiriotra II, kaominina Ambanivohitra Ankazomiriotra, distrikan’i Mandoto ny loza. Tapaka ny tongony, ny lamosiny ary ny vozony.