VAOVAO TAMBATRA

Miisa 552 ireo nahazoan’i Madaga­sikara fifandraisana sy nampanantena ny hanjifa ny vokatra malagasy, nandritra ny hetsika « Food Ingre­dients Eu­ro­pe » (FIE), ny 19-24 novambra 2024 tany Francfort-Alemaina. Lafo avokoa ny ankamaroan’ny lavanila « bio » ho an’ireo orinasa mpisehatra amin’izany. Hitombo, araka izany, ny vola miditra amin’izy ireo.
Voatazona ny 18 000 « palettes » tamin’ny fa­nondranana ny letisia nandritra ny taom-piotazana na dia nihena 50,3% aza ny vokatra, vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nampirisika ny mpandraharaha handeha tamina toerana lavitra sy saro-dalana ny zava-nisy hahatrarana ny habetsaky ny vokatra takin’ny fanondranana.
Nisongadina i Madagasikara nandritra ny he­tsika « Fitur », andiany faha-45, tany Madrid, Espag­ne. Nihaona tamin’ireo tomponandraikitra samihafa ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana nandritra ny hetsika. Kendrena tao anatin’ny fifanakalozan’ny roa tonta ny fampiroboroboana ny fizahantany eto amintsika eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Laharam-pahamehana ny famokarana ara-biolojika sy ny voly fanondrana hitsinjovana ny tsena iraisam-pirenena sy hampitomboana ny fidiram-bolan’ny mpamokatra. Mila faritana ireo faritra voatokana ho an’ny famokarana sy hanaraha-maso ny fenitra mifanaraka amin’izany.

Partager sur: