Endrika liana ! Resaka mifamatotra tsara ! Fifantohana tafalatsaka lalina ! Tsiky miara-paly ! Sento miara-midona. Feno ny efitrano… Fihetsika namantarana avy hatrany fa nanana ny lanjany teo amin’ny nanatrika ny zava-nisy teny an-tsehatra. Tsara fanombohana ny taona 2025 ho an’ny antsam-paribolana. Notanterahina ny 25 janoary teo, tetsy amin’ny Cercle Germano-malagasy Analakely ny « Volam-pahavaratra ». Tononkalo 27 no nantsain’ny « mpiraifaribolana » 27 mianadahy avy ao amin’ny sokajy teatra sy ny mpanatrika tonga teny an-toerana. Nanamora ny fiampitan’ny hafatra avy ao anatin’ny tononkalo. Na ny fihe-tsika, na ny fitafy sy ny ravaka teny ambony sehatra, samy nifanaraka tamin’ny fisian’ny volana sy ny vanim-potoanan’ ny fahavaratra avokoa. Ny tarika Manoa sy Vero no nanelanelana ny antsam-paribolana.
Araka ny nambaran’ny mpikaroka momba ny fisehoana eny an-tsehatra. Anisan’ny manala ny henatra tafahoatra ao amin’ny olona iray ny fanaovana izany matetitetika. Mitondra fahaiza-miteny (tsy miambakavaka, miteny milamina…) ihany koa ny fiantsana tononkalo na eo imason’olona maro na ny tena ireny. Faharanitan-tsaina sy fahaiza-mandalina kosa no anisan’ny tombony lehibe ho an’ireo zatra mihaino tononkalo.
HaRy Razafindrakoto