Andraharo – Rocade Masay : Telo lahy mpandeha moto namoy ny ainy

Tsy fitandremana sa andro miditra, mpitaingina moto telo lahy matin’ny lozam-pifamoivoizana teny Andraharo sy tetsy amin’ny rocade Masay, ny alin’ny alahady sy omaly maraina.

Lehilahy mpitondra moto vaky loha ka maty teo noho eo vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy, teo amin’ny rocade Ma­say, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy sasany. Avy any amin’ny lalan’Ankorondrano nanao taingin-tokana ilay lehilahy vao erotrerony. « Nikasa hivoaka amin’ny lalan’ny rond-point eny Nanisana iny izy kinanjo izao tra-doza tampoka izao », hoy ny fanazavan’ny polisim-pirenena nandamina ny fifamoivoizana vao maraina teny an-toerana. Nandeha tamin’ny ilany an-kavian-dalana, nidona tampoka tamin’ny fefy afovoany manarasaka ny arabe ny moto nentin’io lehilahy io. « Nianjera avy hatrany izy. Nisy fiara nandalo ka voadonan’ny kodiarana ny lo­hany », hoy ny fanazavan’ny polisy. Vaky ra, tsy nahetsika intsony fa tapitra aina teo noho eo ilay mpitondra moto. Niroso tamin’ny fanokafana ny fanadihadiana nahatonga ny loza marina ny mpitandro filaminana avy eo anivon’ny BAC izay nihatrana teny an-toerana. Nentina nihazo ny tranom-paty HJRA ny razana.
Nidona tamin’ny fiara

Ankoatra izay, lelihahy roa mpiasan’ny fahitalavitra tsy miankina, maty nifandona tamin’ny fiara mpitatitra olona iray tetsy Andraharo, ny alin’ny alahady tokony ho tamin’ny 9 ora sasany alina teo. Nisongona fiara iray nandefa “detresse” teo alohany ny fiara mpitatitra mpiasa iray teny amin’ny lalana Andraharo iny. “Nifanena tamin’ny moto izay nentin’izy roa lahy ireto izy io rehefa nisongona io fiara io ka niteraka ny loza”, hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny nanatri-maso. Samy nandeha mafy avokoa na ny fiara na ny moto tamin’izany ka nahamafy ny dona, raha ny fanazavana hatrany. Maty tsy tra-drano teo no ho eo ny iray, raha toa ka maty teny an-dalana nitondrana azy teny amin’ny hopitaly kosa ny iray. Efa nalain’ny havany tetsy amin’ny tranom-paty HJRA Ampefiloha, omaly tamin’ny 11 ora atoandro teo, kosa ireo razana.

Tsiferana R/ Mino.

Partager sur: