« Diplôme d’Animateur Fédéral »: Dingana ahafahana mampianatra karate

Tanjon’ny Federasiona ny Karate-do Malagasy ny hampiakatra hatrany ny lentan’ny mpikatroka ao aminy. Singa iray anisan’ny hahatratrarana izany tanjona izany ny fananana mpampianatra manana ny maha izy azy sy manana traikefa ary indrindra manana fahalalana miroso manaraka ny eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena. Dingana voalohany mila hatao ny fanarahana ny fiofanana hahazoana ny “Diplôme d’Animateur Fédéral” (DAF), raha maniry ny hampianatra karate eny anivon’ny klioba ny teknisiana iray, araka ny fanazavana nentin’ny filohan’ny FKM, Ratefinanahary Emile. Tsy hoe izay manana grady Dan dia afaka mampianatra Karate fa mila alalinina amin’ny alalan’ny fiofanana izany. Toy ny any amin’ny firenena mandroso, efa manana “cadres qualifies” avokoa izy ireny ary tsy afaka manokatra Dojo na mampianatra raha tsy manana mari-pahaizana ho mpampianatra. Nanamafy, araka izany, ity filohan’ny FKM ity fa tena ilaina ny fanarahana ny fiofanana hahazoana ny DAF ka nanao antso ho an’ireo teknisiana mitantana Dojo liana amin’izany ny federasiona. Ny 11 febroary izao no fara fisoratana anarana ary misy ny antontan-taratasy homanina amin’izany. Tsiahivina fa mbola misy “Diplôme d’Instructeur Fédéral” (DIF) sy ny “Brevet d’Etat” aorian’ity DAF ity ary tsara raha mahazo azy 3 ireo ny mpampianatra iray eny anivon’ny klioba. Marihana fa miara-misalahy amin’ny fanantontosana ity fiofanana ity amin’ny federasiona ny Akademia nasionalin’ny spaoro (ANS). Ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) no manome ny mari-pahaizana.

Mi.Raz

Partager sur: