Fampianarana teknika – ONG DSF: Voafonja 156 niofana nanjaitra

Ho fanamafisana ny fitohizam-piaraha-miasa, tonga nitsidika ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ny filoha nasionalin’ny fikambanana Douleurs sans frontière, Jeanne Vignes, ny faran’ny herinandro lasa teo. Tetikasa natao hanomezana fanofanana ireo vehivavy voafonja an-dalam-pamaranana ny saziny ka hiverina indray eo anivon’ny fiarahamonina no iarahan’ny roa tonta. Ny zaitra, fa indrindra ny fanamboarana “serviette hygiénique lavable” sy ny rary no tolotra fanofanana nomena. Fonja miisa efatra manerana ny Nosy no misitraka ny tetikasa : Antanimora, Antsiranana, Mananjary ary Manakara. 156 ireo vehivavy voafonja nisitraka fampiofanana vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisitera sy ny ONG Douleurs sans frontier, nanomboka ny volana aogositra 2023.
Hisy koa fanofanana momba ny “crochet”, izay hatomboka tsy ho ela mba hanitarana ny fahaiza-manaon’ireo vehivavy, hahafahany mioitra amin’ny fiainana.

Vonjy

Partager sur: