Fitsapana hamantarana ny toeran’ny firenena iray sy ny andraikiny amin’ny fampiharana ny zon’olombelona ny «Examen périodique universel» (EPU), nanomboka any Genève, omaly. Anisan’ny firenena miatrika izay fanadihadiana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona izay i Madagasikara. Nitarika ny delegasiona sady mitarika ny fivoriana any an-toerana ny minisitry ny Fitsarana sy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka. Ahitana depiote sy loholona ny delegasiona. Eo koa ny avy amin’ny fiadidiana ny Repoblika, ny sampandraharaha misahana ny fiarovana ny zon’olombelona. Firenena 14 no hiatrika ny fanadinana hatramin’ny 31 janoary.
Rafitra iraisam-pirenena manombana ny fepetra napetraky ny mpikamban’ny Firenena Mikambana (ONU) momba ny zon’olombelona ny «EPU». Tanjona ny fanadihadiana sy fanombanana ny ezaky ny fanjakana tsirairay amin’ny fanamafisana sy fiarovana ny zon’olombelona. Ao anatin’izany ny fandraisana andraikitra manoloana ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona. Manampy amin’ny fanaraha-maso ny governemanta amin’ny alalan’ny rafitra mifanaraka amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena ny «EPU», mikendry ny hanaja ny zon’olombelona sy ny lalàna iraisam-pirenena momba ny fiahiana ny olombelona. Fehezin’ny komity manampahaizana manokana izy amin’izany.
Hatolotra ny firenena mpikamban’ny ONU ny tatitra, maneho ny ezaky ny governemanta amin’ny fampiroboroboana ny zon’olombelona. Mandinika ny tatitra ho fomba fanombanana ny fanarahana ny fifanarahana iraisam-pirenena sy ny zon’olombelona
ny vondrona miasa aminy. Aorian’izay, manomboka ny dinika nasionaly alohan’ny fanolorana ny tatitra farany izay hanampy amin’ny famolavolana drafitra sy fanapahan-kevitra amin’ny fanatanterahana.
R. Nd.