Fanolan-jazalahy 4 taona: Mitaky ny hampiharana ny sazy ny fianakaviany

Mitaky ny hampiharana ny sazy ho an’ireo roa lahy izay efa notanana eny Tsiafahy sy ilay eny amin’ny fonjan’ny zaza maditra eny Anosiala, ny fianakavian’ilay zazalahy 4 taona voaolana. Nihemotra hatrany ny fitsarana ny raharaha nahavoasaringotra ireo roa lahy tamin’ny fanolanana teny Ambohimangakely, ny 16 desambra lasa teo. Zazalahy 4 taona naolan’ny ankizilahy 14 taona tamin’io fotoana io. Zanaky ny mpanampin’ny ray aman-drenin’io zaza lasibatra io no nahavanon-doza. Nam­pandoalihany ilay tsy mataho-tody ilay zaza ary nanaovany ny filan-dratsiny. Nihikiaka io zazalahy io ka ren’ny raibeny. Nijery ny zava-nisy ity farany ka notanany ary niantsoana mpitandro filaminana ny nahavanon-doza. Nitoroka lehilahy iray hafa izay nampianatra azy nanao io fihetsika mamoafady io ilay nanolana. Niakatra fampanoavana ny raharaha ka nalefa eny Tsiafahy ilay voalaza fa nanoro an’ilay ankizilahy 16 taona. Nalefa eny Anosiala kosa, ity farany. Ankehitriny, miahiahy ny momba ny tohin’ny raharaha ny fianakavian’ilay zaza lasibatra. “Manao vava raha teo ny olona akaiky an’ilay voatazona eny Tsiafahy fa hanagom-bola izy ireo ha­moahany ny havany”, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny fianakavian’ny zaza lasibatra. Takin’ity farany, ny hisian’ny fitsarana mahitsy ho an’ireo roa lahy ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: