FANTINA sy FINTINA

Hanatanteraka ny politikan’ny fanovana ny rafi-pamokarana i Madagasikara. Nivoitra izany tamin’ny nandraisan’ny Praiminisitra, Ntsay Christian, teny Mahazoarivo, omaly, ny tale mpandrindram-paritry FAO aty Afrika Atsimo sy Atsinanana, i Talla Patrice. Fan­tatra koa fa hapetraka ny paikady iadiana amin’ny valala ka hampiasana angindimby manokana.
Tontosa omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny ben’ny Tanàna teo aloha Nantenaina sy ny ben’ny Tanàna vaovao lany tamin’ny fifidianana farany teo, Andriafanomezantsoa Alain. Tafapetraka soamantsara amin’ny toerany ity mpitantana an’i Toamasina ity na nikasa hanao hetsika fiarovana ny safidim-bahoaka aza ny avy amin’ny MTS, Ratsiraka Roland.
Vonona ny hifanome tanana ho amin’ny fampandrosoana ny kaominina ny ben’ny Tanàna, Rasolonirina Mendrika, voafidy ao amin’ny kaominina Alakamisy, Fenoarivo. Notanterahina, omaly, ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny ben’ny Tananan mpisolo toerana.
Tsiahivina fa avy amin’ny Tim ity olom-boafidy vao voafidy ity.
Hamory ireo ben’ny Tanàna miisa 14, vao voafidy ny sefo distrika Andramasina, anio. Anisan’ny hiompanan’izany ny torolalana sy toromarika ho an’ireto olom-boafidy ireto, mialoha ny handraisan’izy ireo ny asany. Anisan’izany ny momba ny andraikiny sy ny mpanolotsaina. Eo koa ny momba ny fitantana ankapobeny ny kaominina.

Partager sur: