Mitohy hatrany ny fifampizarana sy fampitana traikefa amin’ireo ben’ny Tanàna, vao voafidy farany teo. Anjaran’ny any amin’ny faritanin’i Fianarantsoa indray no nanatanterahana izany ny faran’ny herinandro teo.
Anisan’ny nitarika ny fanofanana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), amin’ny alalan’ny Ivontoeram-pirenena misahana ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana ny eny ifotony (INDDL). Niompana amin’ny fampitana fahalalana sy ny fahaiza-manao ary koa ny fifampizarana traikefa ny atrikasa sy ny fanofanana ireto olom-boafidy miisa 270 ireto tamin’izany. Anisany ohatra ny momba ny famindram-pahefana sy ny fitantanana eo amin’ny ben’ny Tanàna teo aloha sy ny vao handray ny toerana. Eo koa ny fampahafantarana ny andraikitry ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna, mialoha ny handraisan’izy ireo izany asany izany.
Novelabelaran’ny teknisianin’ny minisitera tamin’izany koa ny momba ny drafi-panajariana ny tany sy ny tanàna.
Nahaliana ireo ben’ny Tanàna
Nahaliana sy tena nankasitrahan’ireto olom-boafidy eny ifotony ireto izao atrikasa sy fanofanana izao. Nitondrana valiny avokoa ireo fanontaniana sy ny hetaheta na koa ireo olana samihafa eny anivon’ny fitantanana ny kaominina.
Tsiahivina fa efa nahavita ny atrikasa fanofanana tahaka izao ny teto amin’ny faritanin’ Antananarivo. Nitohy tany ho an’ireo ben’ny Tanàna ho an’ny faritanin’Antsiranana sy i Mahajanga izany. Hitohy, tsy ho ela any amin’ny faritanin’i Toliara izany fanofanana sy atrikasa izany.
Synèse R.