KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA : “Tompon’andraikitra voalohany isika…”

Niatrika ny fananganan-tsaina, voalohany niaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny kaominina Antana­narivo Renivohitra ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, omaly tetsy anolon’ny lapan’ny Tanàna, Analakely. Tsotra ary mazava ny toromarika nomeny tamin’izany. “Hiara­ka hiasa isika ary hitady vahaolana hanarenana ny tanàna satria isika no tompon’andraikitra voalohany amin’izany”, hoy izy, nanoloana ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny fiadidiana ny Tanàna ka nanentanany manokana azy ireo.
Niantso fifanomezan-tanana amin’ireo mponina sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra koa ny tenany.
Marihina fa fananganan-tsaina voalohany natrehany sy notarihiny, amin’ny maha olom-boafidy azy izao natao, tetsy amin’ny lapan’ny Tanàna izao.
Nitohy tamin’ny fifampiresahan’ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilana, amin’ireo mpanolotsaina monisipaly izany avy eo. Nitarika izany fihaonana izany ny filohan’ny filankevitra monisipaly, vao voafidy ny zoma teo, Ralitera Guy Andriamparany.
Tsiahivina fa anisan’ny nambaran’ny ben’ny Tanàna raha vao nandray ny fitantana an’Antananarivo ny tenany, ny herinandro teo, tetsy Anala­kely fa tsy manam-pahavalo afa-tsy ny fahantrana sy ny korontana ny tenany. Eo koa ny fahavononany hiara-kiasa amin’ny rehetra ho fampandrosoana ity Renivohitra ity.

Synèse R.

Partager sur: