Nisy ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana anatin’ireo distrika 20 saro-dalana sy mitoka-monina. Teo ny fanamafisana ny traikefan’ireo mpitsabo mpandidy, narahina fampitaovana haha matihanina ny asa rehetra, ny faran’ ny herinandro teo, teny amin’ny INSPC Befelatanana. Tafiditra amin’ny fijerana ny maha olona sy ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana ny asa, izay fanatanterahana ny politika napetraky ny fanjakana malagasy.
Teny anivon’ny INSPC Mahamasina no nanaovana ny fizarana fitaovana sy ny fanofanana ireo mpitsabo mpandidy. Niarahana tamin’ny ONG koreanina AFF sy Well international izany. Nanotrona teny an-toerana ireo tale jeneraly roa eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka : DGFS sy DGINSPC. Tanjona ny hanatsarana ny fahaiza-manao hiantohana ny fahazoan’ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka fitsaboana tsara kalitao.
Nahitana fitaovana maro ireo nomena ho fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana : efijery fisaka natao hanatsarana ny kalitaon’ny fiofanana omena, milina fitarafana (échographes) 18 miaraka amin’ny kojakoja, ipads 18 ary boaty 20 ho an’ny Laparotomia miaraka amin’ny kojakoja. Miara-niasa ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny ONG koreanina AFF amin’ny fanofanana dokotera mpitsabo amin’ny fandidiana fototra ary hiasa eny amin’ny hopitaly eny anivon’ny distrika.
Vonjy